Iza moa izahay
 
Nanomboka ny Novembra 1990, Idea Bank Inc. dia nampifandray
mpandinika, mpanatontosa ary mpanohana ara-bola tetik’asa.
 
Mpandinika dia ireo olona mpamaritra ny olana ary mpamolavola hevitra – mpikaroka, mpamorona
 
Mpanatontosa dia ireo mampisy ny zavatra – mpanorina ary mpitantana
 
Mpanohana dia ireo izay mpampiasa vola – mpamatsy ara-bola sy ara-pitaovana
 
Izahay dia fikambanana ahitana mpamorona, mpamorina ary mpamatsy ara-bola. Ny fitambaran’ireo no mamaha izay olana mipetraka amin’ny ankapobeny. Ny fahasalamana, ny tontolo iainana ary ny serasera no tena imasoanay.
 
Manana ekipa mpitondraka tetik’asa izahay mandrindra ny olona, ny paik’ady, ary ny vola hahatanteraka ny hevitra ho asa mivaingana. Ity ekipa ity dia ahitana dokotera, ‘neuro-chirugien’ mpahay lalana, siantifika isankarazany, olonkendry, mpamatsy vola ary mpanorina.
 
Amin’izao fotoana izao dia mifanpizera ny olana izao tontolo izao, etsy andanin’izany anefa dia tsy ifampizarana toy izany ny vaha olana. Noho izany dia miezaka izahay nanambatra ny mpandinika, mpanatontosa ary ny mpanohana hiara miasa hizara vaha olana amin’izao tontolo izao.
 
• Ny novembra 1990 dia nandeha tany Madagascar Jay Godsall ary nihaona tamin’i Dr Nat Quansah izay miasa momba ny olana avy amin’ny dorotanety any Madagascar, ary ny fahaverezan’ny fahalalana momba ny raokandro. Tamin’izany no nitsirian’ny hevitra tamin’i Jay ny amin’ny hamoronana ny Idea Bank iarahon’ny mpitsabo nentim-paharazana, ny dokotera ao amin’ny tambazotra iray mba hiarovana ny haitaon’izy ireo. Ny fiverenany avy any Madagascar dia namorona ny Idea Bank company Jay.
 
• Nanomboka teo ny Idea Bank dia nahatontosa asa 25 izay nifantoka indrindra teo amin’ny lafiny fahasalamana, tontolo iainana ary serasera.
 
• Ny taona 2002, Idea Bank no nanomboka nifantoka tamin’ny ‘nanotechnologie’  sy ny fampiharana izany amin’ny ‘maladies infectieuses’ serasera ary ny angovo azo avy amin’ny masoandro.
 
• Ny taona 2003, Idea Bank no nanainga Fio Corporation, orinasa mpamokatra fitaovava mampiasa ny ‘nanotechnologie’ ho entina mamaritra sy mamantatra ireo ‘maladies infectieuses’.
 
• Idea Bank dia miara-miasa amin’ny Fio sy ny hafa koa mamokatra fitaovana mikasika ny  ‘maladies infectieuses’, serasera ary angovo. Nandritra ny fitoana fikaroana sy ny fanatanterahana an’ireo tetik’asa
 
• ireo, ny Idea Bank dia efa nampahafantatra sahady ny olona ny ampahany amin’ny vokatry ny famoronana. Ny ‘site web’ na ny mifandraika amin’izany dia mbola mangina aloha mandrapahafahanay maneho ny vokatra.
 
 
© Idea Bank Inc. 2007
malagasy