tantara

madagascar

  • Ny novembra 1990 dia nandeha tany Madagascar Jay Godsall ary nihaona tamin’i Dr. Nat Quansah izay miasa momba ny olana avy amin’ny dorotanety any Madagascar, ary ny fahaverezan’ny fahalalana momba ny raokandro. Tamin’izany no nitsirian’ny hevitra tamin’i Jay ny amin’ny hamoronana ny Idea Bank iarahon’ny mpitsabo nentim-paharazana, ny dokotera ao amin’ny tambazotra iray mba hiarovana ny haitaon’izy ireo. Ny fiverenany avy any Madagascar dia namorona ny Idea Bank company Jay.
  • Nanomboka teo ny Idea Bank dia nahatontosa asa 25 izay nifantoka indrindra teo amin’ny lafiny fahasalamana, tontolo iainana ary serasera.
  • Ny taona 2002, Idea Bank no nanomboka nifantoka tamin’ny ‘nanotechnologie’  sy ny fampiharana izany amin’ny ‘maladies infectieuses’ serasera ary ny angovo azo avy amin’ny masoandro.
  • Ny taona 2003, Idea Bank no nanainga Fio Corporation, orinasa mpamokatra fitaovava mampiasa ny ‘nanotechnologie’ ho entina mamaritra sy mamantatra ireo ‘maladies infectieuses’.
  • Idea Bank dia miara-miasa amin’ny Fio sy ny hafa koa mamokatra fitaovana mikasika ny  ‘maladies infectieuses’, serasera ary angovo. Nandritra ny fitoana fikaroana sy ny fanatanterahana an’ireo tetik’asa.
  • Ireo, ny Idea Bank dia efa nampahafantatra sahady ny olona ny ampahany amin’ny vokatry ny famoronana. Ny ‘site web’ na ny mifandraika amin’izany dia mbola mangina aloha mandrapahafahanay maneho ny vokatra.