inona no ataonay

ideabank-header2

Idea Bank dia mpitrandraka tetik’asa mandrindra ny olona, ny paik’ady ary ny vola hahatontosa ny tetik’asa.

Ny fomba fiasanay dia mizara efatra karazana ireto: fitaovana finday, tranokala, ‘aerospace,’ fanana.

Fitaovava finday 
Fio no mifantoka amin’ny famokarana ireo fitaovana ireo. Ao Toronto, Canada no foibeny. Fitaovana mampiharo ny haitao ‘nanotechnologie’, ‘biotechnologie’ ary ireo rehetra momba ny ‘technologie’ ahafahana mitily haingana ireo ‘maladies infectieuses’ maro karazana indray mandeha no vokarina. Ireo aretina ireo mantsy dia tsy hoe mitarika fahafatesana ihany fa koa mampitotongana ny toe-karena ihany koa. Ny andraikitra ny Idea Bank amin’ny Fio dia ny famoahana ireo fitaovana ireo ary ny fanampiana amin’ny alalan’ny hairahany nohony fananany ireo mpandinika, mpanotontosa, mpanohana ary indrindra ny fahalalany  aretina amin’ny toerana mahabetsaka azy ireo.

Tranokala
Ny web dia tambazotra ho entina mamaritra ny olana, mamelabelatra hevitra ary mamolavola izany hevitra izany ary mampita azy any amin’ ireo mpamatsy vola. Ny tetik’asa voalohany teo aminay dia ny ‘Tambazotra Mazava’, ny zavatra ilofosany dia ‘maladies infectieuses’ izay iarahanay amin’ny Fio. Ampahany ny amin’ny tranokalam-fifandraisana izay ataonay miaraka amin’ny mpamorina, mpandinika ary ny mpampiasa vola ihany izany.

Aerospace
Idea Bank dia eo ampanatontosana fiaramanidina vaovao ahitana singa fahita amin’ny fiaramanidina mahazatra sy tiltrotors, ary maivana noho ireo fahita hampiasaina amin’ny serasera sy ny fitanterana, fa indrindra ny serasera. Nitanjona dia mba hamahana ny olana amin’ireo faritra tsy tongan’ ny fiara, sambo, lamasinina, fiaramanidina, na koa lafo loatra ny sarandalana amin’izy ireo.

Fanana
Idea Bank dia mamorona karazapananana izay ahazoan’ny mpandinka, mpanatontosa, ary mpamtsy vola miara miasa ary mivarotra hevitra.