iza moa izahay

ideabank-header

Nanomboka ny Novembra 1990, Idea Bank Inc. dia nampifandray mpandinika, mpanatontosa ary mpanohana ara-bola tetik’asa.

Mpandinika dia ireo olona mpamaritra ny olana ary mpamolavola hevitra – mpikaroka, mpamorona
Mpanatontosa dia ireo mampisy ny zavatra – mpanorina ary mpitantana
Mpanohana dia ireo izay mpampiasa vola – mpamatsy ara-bola sy ara-pitaovana

Izahay dia fikambanana ahitana mpamorona, mpamorina ary mpamatsy ara-bola. Ny fitambaran’ireo no mamaha izay olana mipetraka amin’ny ankapobeny. Ny fahasalamana, ny tontolo iainana ary ny serasera no tena imasoanay.

Manana ekipa mpitondraka tetik’asa izahay mandrindra ny olona, ny paik’ady, ary ny vola hahatanteraka ny hevitra ho asa mivaingana. Ity ekipa ity dia ahitana dokotera, ‘neuro-chirugien’ mpahay lalana, siantifika isankarazany, olonkendry, mpamatsy vola ary mpanorina.

Amin’izao fotoana izao dia mifanpizera ny olana izao tontolo izao, etsy andanin’izany anefa dia tsy ifampizarana toy izany ny vaha olana. Noho izany dia miezaka izahay nanambatra ny mpandinika, mpanatontosa ary ny mpanohana hiara miasa hizara vaha olana amin’izao tontolo izao.